Mba fantatrao moa fa tia anao Jesosy?

Publié le par Pasteur Jules RANDRIANJOARY.

Zava- dehibe amin' ny olombelona ny FITIAVANA ary anisan' ny fahoriana mavesatra ny fahafantarany fa tsy misy tia azy.
Androany anefa ry mpamaky amin' alalan' ity gazety kely ity dia te hilaza aminao mafy aho fa misy tena tia be anao: tsy iza fa Jesosy no anarany.
Anarana efa mety renao matetika angamba izany na efa mahazatra anao saingy tsy naha- taitra anao.Dia hoy ianao: fa iza marina moa Jesosy zany e?
Tsy iza Jesosy fa lehilahy izay nateraka vehivavy virijiny iray.Mahagaga ny fahatongavany tety an- tany.Fa ny tena marina anefa ny nahatongavany tety an- tany dia ny hitady sy hamonjy ny anao izay heveriny ho toy ny very.Ianao izay hitany fa miady irery.Toy ny salama nefa mahatsiaro marary.Toa tsy sahirana nefa raha ny ara- bola no jerena nefa mahatsiaro mahantra.Fa maninona?Izany ve no fiainana eto an- tany?Ry mpamaky, fa inona no nataon' i Jesosy anao?
Fantatr' i Jesosy fa ny fototry ny olanao dia ny tsy fanaonao an' Andriamanitra nahary anao miaraka aminao amin' ny fiainanao.
Dia hoy angamba ianao: izaho ange ratsy é, mpanota, tsy mendrika an' Andriamanitra aho.
Ry havana, Jesosy izay lazaiko anao dia lehilahy tsy nanota mihintsy sady tsy misy tsiny fa izao: nanaiky natao ho mpanota teo amin' ny toeranao Izy,nanaiky ho faty nohon' ny fahotanao Jesosy, nalatsany ho anao ry Rany ho famelana ny helokao eo anatrehan' Andriamanitra ka ahatonganao afaka hifandray mivantana amin' Andriamanitra.
Fa izao koa ny vaovao mahafaly lehibe: efa nitsangana tamin' ny maty Jesosy, velona Izy.Ary tia anao Izy.Raha toa ka inoanao izao hafatra izao ka manaiky ianao handray an' i Jesosy ho Mpamonjy sy Mpanavotra anao dia hisy trangan- javatra lehibe hiseho eo amin' ny fiainanao.
Ho tonga olom- baovao ianao(II Korintianina 5.17).
Ho tonga zanak' Andriamanitra ianao(Jaona 1.12)
Hisy loharanom- piainana hiboiboika eo aminao, fa hoy Jesosy:
ny mpangalatra(ny devoly na izao tontolo izao) tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana, fa izao avy mba hanananareo fiainana sady be dia be.
Ry mpamaky, velona Jesosy, tia anao Izy ary vonona hiaraka aminao, hampahery anao, tsy hamela anao irery.
Vavolombelon' izany aho izay manoratra.
Ho tanteraka aminao anie ny fitahian' Andriamanitra.

Publié dans Gazety

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article
M

Blogs are so informative where we get lots of information on any topic. Nice job keep it up!!

Répondre
D
Blogs are so informative where we get lots of information on any topic. Nice job keep it up!!
Répondre

Dia faly mitsidika ny blog nareo !
Mampahery foana ny toritenin ' i Pasteur Randrianjoary !
Misaotra ny Tompo ary misaotra azy

avelako ny adresse n ' ny blog - ko hafa dia bonne visite !

Tahian ' ny Tompo daholo è !
bisous !

http://les-inoubliables.over-blog.net/

http://jachery5.blogspace.fr/home/
Répondre